Misy ihany ireo blaogy vitsivitsy (tena vitsy) miezaka mizara amin’ny teny malagasy. Saingy matetika blaogy tsotra ihany ireo fa vitsy ny loharanon-kevitra iankinan’ny aina (andrim-panjakana, mpisehatra momba ny fahasalamana, fanabeazana, …) no manolotra tahirin-kevitra amin’ny teny malagasy.
Raha vitantsika ny mamoaka ny WordPress ho afaka ampiasaina amin’ny teny Malagasy dia :
Ary rehefa mitombo ny mpamokatra dia hihamaro ny loharanom-pahalalana amin’ny teny malagasy azon’ny rehetra ho trandrahina, ka anisan’ny handray anjara amin’ny fampihenana ny elanelana amin’ny fahazoana fahalalana sy vaovao.
Anisan’ny tena ho amporisihina hitrandraka ity WordPress amin’ny teny malagasy ity ireo loharanom-pahalalana ifotoran’ny aina toy ny andrim-panjakana, ireo tranonkala azo antoka momba ny fahasalamana, ny fanabeazana, … Ahazoan’ny rehetra fahalalana amin’izay teny manakaiky ny fony.
And. 1 – Ireo sehatra miankina sy tsy miankina ary ny fiarahamonim-pirenena (…) dia tokony hiezaka hanolotra ireo tahiri-kevitra ilaina ary handray ny fepetra rehetra hampihenana ny sakana ara-teny (…) mba ahafahan’ny rehetra mampiasa ny cyberespace amin’ny fiteny rehetra.
UNESCO, Torolalana momba ny fampiroboroboana sy ny fampiasana ny fimaroan-teny sy ny fahalalahan’ny rehetra hisitraka ny cyberespace